Fanenjehana Jereo koa Fahoriana Mitondra tebiteby na fanaintainana ho an’ny hafa noho ny finoany na ny toerany eo amin’ny fiarahamonina, mamelively na manao tsindry hazo lena. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, Mat. 5:10 (3 Ne. 12:10). Mivavaha ho an’izay manenjika anareo, Mat. 5:44 (3 Ne. 12:44). Noho ny hareny, dia manenjika ny malemy fanahy izy, 2 Ne. 9:30 (2 Ne. 28:12–13). Ny marina izay miandrandra an’i Kristy, na dia eo aza ny fanenjehana rehetra, dia tsy ho faty, 2 Ne. 26:8. Ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao fahaiza-manao, F&F 122:7.