Fahatakarana Jereo koa Fahalalana; Fahamarinana (toetra); Fahendrena Mahazo fahalalana na mahatakatra ny dikan’ny fahamarinana iray sy ny fampiharana azy eo amin’ny fiainana. Aza miankina amin’ny fahalalanao, Ohab. 3:5. Ny fanananao rehetra hamidio fahalalana tsara, Ohab. 4:7. Niteny tamin’ny fanoharana i Jesoa ary nisy ny tsy nahatakatra, Mat. 13:12–17. Nanokatra ny sain’izy ireo ny Tompo, Lio. 24:45. Raha tsy mety azonareo ireo, dia satria tsy manontany ianareo, 2 Ne. 32:4 (3 Ne. 17:3). Notsimbinina ny rakitsoratra mba hahazoantsika mamaky sy mahatakatra, Môzià 1:2–5. Noho ny tsy finoany dia tsy nety nahatakatra ny tenin’ Andriamanitra izy, Môzià 26:3. Izy ireo dia olon’ny fahalalana tsy misy tomika, Almà 17:2–3. Ny teny dia manomboka mampivelatra ny fanahiko, Almà 32:28. Aoka hifandahatra isika mba hahatakaranareo, F&F 50:10–12, 19–23. Tsy maintsy mampianatra ny zanany hahatakatra ny ray aman-dreny, F&F 68:25. Ny asa sy ny misterin’ Andriamanitra dia tsy takatra afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, F&F 76:114–116. Mikatsaka ny hampihodina ny fon’ny olona hiala amin’ny fahamarinana i Satana, F&F 78:10. Mampahavitrika ny fahatakarantsika ny fahazavan’i Kristy, F&F 88:11.