Fahoriana Jereo koa Fakam-panahy; Famaizana; Fanenjehana; Maharitra Amin’ny alalan’ny fahoriana—fizahan-toetra, olana, ary alahelo—no ahafahan’ny olona mandia zava-maro izay mitondra any amin’ny fitomboana ara-panahy sy ny fivoarana mandrakizay noho ny fianteherana amin’ny Tompo. Andriamanitra tenany mihitsy no namonjy anareo tamin’ny zava-nanjo anareo sy ny fahorianareo rehetra, 1 Sam. 10:19. Nitaraina tamin’ny Tompo izy ireo tamin’ny fahoriany, Sal. 107:6, 13, 19, 28. Na dia omen’ny Tompo anao aza ny mofo fahoriana, dia tsy hiery intsony ny mpampianatra anao, Isa. 30:20–21. Tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra, 2 Ne. 2:11. Raha tsy manana na oviana na oviana ny mangidy izy ireo dia tsy ho hainy ny hahafantatra ny mamy, F&F 29:39. Tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy ny fahorianao, F&F 121:7–8. Ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao fahaiza-manao, ary ho soa ho anao izany, F&F 122:5–8. Manandrana ny mangidy izy ireo mba hahaizany mankamamy ny tsara, Mos. 6:55.