Mankahala Jereo koa Fandrafiana; Fitiavana; Valifaty Ny mankahala dia ny tsy fitiavana mainty ny olona na ny zavatra. Izaho Andriamanitra dia mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanak’ireo izay mankahala Ahy, Eks. 20:5. Izao zavatra enina izao no halan’ny Tompo, Ohab. 6:16. Ny adala manao tsinontsinona an-dreniny, Ohab. 15:20. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy, Isa. 53:3. Manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, Mat. 5:44. Ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny, Mat. 6:24. Ho halan’ny olon-drehetra ianareo noho ny anarako, Mat. 10:22. Izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny hazavana, Jao. 3:20. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao, 1 Tim. 4:12. Noho izy ireo manan-karena dia manamavo ny mahantra, 2 Ne. 9:30. Aza manamavo ireo fanambaran’ Andriamanitra, Jkb. 4:8. Nanana fankahalana mandrakizay anay izy ireo, Jkb. 7:24. Manao ny torohevitr’ Andriamanitra ho tsinontsinona ny olona ary manamavo ny teniny, F&F 3:7. Nankahalaina sy nenjehina aho noho ny filazana fa efa nahita fahitana aho, JS—T 1:25.