Nofy Jereo koa Fanambarana Fomba iray izay anambaran’ Andriamanitra ny sitrapony amin’ny lehilahy sy ny vehivavy eto an-tany. Tsy fanambarana anefa ny nofy rehetra. Ny nofy avy amin’ny fanahy dia vokatry ny finoana. Nanonofy izy ka indro ny tohatra iray nahatratra ny lanitra, Gen. 28:12. Nahazo nofy i Josefa, Gen. 37:5. Hiteny aminy ao amin’ny nofy ny Tompo, Nom. 12:6. Nahazo nofy i Nebokadnezara, Dan. 2:1–3. Hahazo nofy ireo lahiantitra, Joe. 3:1 (Asa 2:17). Niseho taminy tamin’ny nofy ny anjelin’ny Tompo, Mat. 1:20 (Mat. 2:19). Nanoratra zavatra maro efa hitany tamin’ny nofy i Lehia, 1 Ne. 1:16. Nahazo nofy i Lehia, 1 Ne. 8.