Faniratsirana Jereo koa Manevateva Tsy fanajana na fanamavoana ny zavatra masina, indrindra ny tsy fanajana ny anaran’ Andriamanitra. Aza manonona foana ny anaran’ny Tompo Andriamanitrao, Eks. 20:7 (2 Ne. 26:32; Môzià 13:15; F&F 136:21). Nahoana no mamadika ny fanekena tamin’ny razantsika isika, Mal. 2:10. Hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony, Mat. 12:34–37. Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana, izay tsy mety raha misy izany, Jak. 3:10. Hanameloka antsika ny tenintsika, Almà 12:14 (Môzià 4:30). Aoka ny olon-drehetra hitandrina amin’ny fomba hanononany ny anarako eo amin’ny molony, F&F 63:61–62.