Fahadiovam-pitondrantena Jereo koa Fanitsakitsaham-bady; Fijangajangana; Hatsaran-toetra; Manarana ny Filan’ny nofo Fitondrantena madio na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Nanohitra ny fanangolen’ny vadin’i Potifara i Josefa, Gen. 39:7–21 (F&F 42:24; 59:6). Tsy hanitsakitsa-bady ianao, Eks. 20:14. Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy, Ohab. 12:4 (Ohab. 31:10). Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, 1 Kor. 6:18–19. Aoka ho tonga ho fianarana ianao amin’ny fitondrantena, 1 Tim. 4:12. Ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra, 1 Ne. 10:21. Fa Izaho Tompo Andriamanitra dia finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny vehivavy, Jkb. 2:28. Ny fahotana avy amin’ny fijangajangana dia fahavetavetana, Almà 39:1–13. Ny fahadiovany sy ny hasiny no soa sy sarobidy indrindra ambonin’ny zava-drehetra, Môrô. 9:9. Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena, Fp. 1:13.