Aharôna, Zanakalahin’i Môzià Jereo koa Môzià, Zanakalahin’i; Môzià, Zanakalahin’i Benjamina Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zanakalahin’i Môzià Mpanjaka. Nanefa asa fitoriana i Aharôna ka ny ezaka mbamin’ny zotom-pony dia nahatonga olona maro hiova fo ho an’i Kristy. Tsy mpino izay nikatsaka ny handrava ny Fiangonana, Môzià 27:8–10, 34. Niseho taminy sy ny namany ny anjely iray, Môzià 27:11. Nibebaka sy nanomboka nitory ny tenin’ Andriamanitra, Môzià 27:32–28:8. Nandà ny hatao mpanjaka ka nandeha nankany amin’ny tanin’ny Lamanita mba hitory ny tenin’ Andriamanitra, Almà 17:6–9. Nifady hanina sy nivavaka mba hotarihin-dalana, Almà 17:8–11. Nampianatra ny rain’i Lamônia Mpanjaka, Almà 22:1–26. Nandeha nitory tamin’ny Zôramita, Almà 31:6–7.