Fanajana Jereo koa Manaja; Tahotra Fanajana lalina ny zava-masina; Fitalanjonana Andriamanitra dia nandidy an’i Mosesy mba hanesotra ny kapany, satria tany masina no ijanonany, Eks. 3:4–5. Tokony hatahorana sy hajaina Andriamanitra, Sal. 89:7. Manompoa an’ Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana, Heb. 12:28. Niankohoka teo amin’ny tany i Môrônia ary nivavaka mafy tokoa, Almà 46:13. Lavo tamin’ny tany ny valalabemandry ary nitsaoka an’i Kristy, 3 Ne. 11:12–19. Miankohofa eo anoloako, F&F 5:24. Ny zava-drehetra miankohoka amin’ny fanajana feno fanetrentena eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, F&F 76:93. Ny sainareo dia nohamaizinina satria efa nohamaivaninareo ireo zavatra efa noraisinareo, F&F 84:54–57. Ny lohalika rehetra hitsaoka, ary ny lela rehetra hiaiky, F&F 88:104. Ho fanajana sy fitsaohana ny anaran’ilay Izy Faratampony, ny Fiangonana dia niantso io fisoronana io araka an’i Melkizedeka, F&F 107:4. Harotsaka amin’ireo izay hitsaoka ny Tompo ao an-tranony ny fitahiana, F&F 109:21.