Fitarihan’ Andriamanitra omen’ Andriamanitra ny olona. Mazàna ny fitaomana dia tonga ao an-tsaina na ao am-pon’ny olona amin’ny alalan’ny Fanahy amin’ny fomba samihafa.
Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zava-drehetra sy hampahatsiaro anareo ny zava-drehetra, Jao. 14:26 .
Ny Fanahin’ny fahamarinana no hitarika anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra, Jao. 16:13 .
Notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra tokony hataoko, 1 Ne. 4:6 .
Tonga tao an-tsaiko ny feon’ny Tompo, Enô. 1:10 .
Ny zavatra rehetra izay manainga sy mitaona hanao ny tsara dia avy amin’ny fitaoman’ Andriamanitra, Môrô. 7:13–16 .
Tsy nilaza fiadanana ho an’ny sainao va Aho, F&F 6:23 .
Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, F&F 8:2 .
Hanazava ny sainao ny Fanahiko izay hameno fifaliana ny fanahinao, F&F 11:13 .
Homena anao izany amin’ny fotoana hitenenanao sy hanoratanao indrindra, F&F 24:6 (F&F 84:85 ).
Mibitsibitsika ilay feo tony sy malefaka ary mandoaka ny zava-drehetra, F&F 85:6 .