Araka izay ampiasaina ao amin’ny soratra masina, hafatra ren’ny sofina izay ambaran’ny Tompo na ny irany. Mety tsy ho ren’ny sofina koa ny feon’ny Fanahy fa mivantana amin’ny fo na ny saina.
Ireo marina dia manaraka ny feon’ilay Mpiandry ondry Tsara, Jao. 10:1–16 .
Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko, Jao. 18:37 .
Nankatò ny feon’ny Fanahy aho, 1 Ne. 4:6–18 .
Ary nisy feo tonga tamiko, nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao, Enô. 1:5 .
Izany dia feo malefaka sy tony tanteraka izay nandoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza, Hel. 5:29–33 (3 Ne. 11:3–7 ).
Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany, F&F 1:38 .
Na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia hanjary feon’ny Tompo, F&F 68:2–4 .
Ny olona tsirairay izay mankatò ny feoko dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho, F&F 93:1 .