Fotopampianarana na fahamarinana na lalàna fototra. Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fibebahana (Fp. 1:4 ).
Koa aoka [tsy] hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy, kanefa aoka handroso ho amin’ny tanteraka isika, DJS, Heb. 6:1 .
Ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra ao amin’ity fiangonana ity dia hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarako, izay ao amin’ny Soratra Masina, F&F 42:12 .
Mianara misimisy kokoa ny amin’ny fitsipika, ny amin’ny fotopampianarana, ny amin’ny zava-drehetra, F&F 88:78 (F&F 97:14 ).
Hahazoan’ny olona tsirairay miasa araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika, araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, F&F 101:78 .
Na toy inona na toy inona fetran’ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty, F&F 130:18–19 .