Fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona ara-panahy omen’ny Fanahy Masina. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety koa ho fanambarana ôfisialy na ara-dalàna momba izay heverin’ny olona iray ho fahamarinana (F&F 102:26 ).
Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, 2 Tim. 1:8 .
Ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana, Apôk. 19:10 .
Mijoroa ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, Môzià 18:9 .
Tsy nisy lalan-kafa ahazoana manitsy ny vahoaka raha tsy ny filofosana amin’ny fanambarana tsisy tsiny hanoherana azy, Almà 4:19–20 .
Izaho manana ny zava-drehetra ho toy ny fanambarana fa ireo zavatra ireo dia marina, Almà 30:41–44 .
Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo, Ete. 12:6 .
Tsy nilaza fiadanana ho an’ny sainao va Aho momba io toe-javatra io? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra, F&F 6:22–23 .
Ary ankehitriny, aorian’ireo fanambarana maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny fanambarana, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy, F&F 76:22–24 .
Naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina ny olona, F&F 88:81–82 .
Efa maty ankehitriny ireo mpanao ny didim-pananana ary manan-kery ny didim-pananany, F&F 135:4–5 .
Tazan’i Enoka ireo anjely sady vavolombelona nanambara ny Ray sy ny Zanaka, Mos. 7:27 .
Na dia nankahalaina sy nenjehina aza aho noho ny filazana fa nahita fahitana, dia izany anefa no marina, JS—T 1:24–25 .