Manaja Jereo koa Fanajana; Mihevitra Ho Ny ampiasana azy matetika ao amin’ny soratra masina dia ho fanehoana fanajana na fitsaohana olona na zavatra. Manajà ny rainao sy ny reninao, Eks. 20:12 (1 Ne. 17:55; Môzià 13:20). Mankalazà ny Tompo amin’ny fanananao, Ohab. 3:9. Raha misy olona manompo Ahy dia izy no hankalazain’ny Ray, Jao. 12:26. Ny lehilahy dia tokony hanaja ny vadiny, 1 Pet. 3:7. Amin’ny molony ihany no anajany ny Tompo, 2 Ne. 27:25 (Isa. 29:13). Tsy mikatsaka ny voninahitr’izao tontolo izao aho, Almà 60:36. Nikomy Tamiko ny devoly nanao hoe: Omeo ahy ny voninahitrao, dia ny heriko, F&F 29:36. Hosatrohana amin’ny satroboninahitry ny laza ny mahatoky, F&F 75:5 (F&F 124:55). Finaritra ny Tompo hankalaza ireo izay manompo Azy, F&F 76:5. Tsy voafidy izy ireo satria miandrandra ny voninahitry ny olona, F&F 121:34–35. Mino ny fanajana sy ny fanohanana ny lalàna isika, Fp. 1:12 (F&F 134:6).