Fahazotoana Ezaka mafy sady tsy miato, indrindra amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny fankatoavana ny teniny. Henoy amim-pahazotoana tokoa Aho, Isa. 55:2. Andriamanitra dia mpamaly soa izay mazoto mitady Azy, Heb. 11:6. Asehoy ny zotom-po rehetra, ampio hatsaran-toetra ny finoanareo, 2 Pet. 1:5. Ampianaro amin’ny zotom-po rehetra ny tenin’ Andriamanitra, Jkb. 1:19. Efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina, Almà 17:2. Vonona izy ny hitandrina ny didy tamin’ny fahazotoana rehetra, 3 Ne. 6:14. Aoka isika hilofo amim-pahazotoana tokoa, Môrô. 9:6. Aoka hirotsaka amin-kafanam-po amin’ny tanjona tsara, F&F 58:27. Aoka tsy hidonanam-poana fa hilofo kosa amin’ny herinareo rehetra, F&F 75:3. Tandremo fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay, F&F 84:43. Aoka ny olona tsirairay hianatra ny adidiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra, F&F 107:99.