Maso Ampiasaina toy ny teny an’ohatra ilazana ny fahaizan’ny olona mandray ny fahazavan’ Andriamanitra mazàna ny maso ao amin’ny soratra masina. Ny maso koa dia tandindon’ny toe-panahy sy ny fahatakaran’ny olona ny zavatr’ Andriamanitra. Mahitsy ny didin’ny Tompo ka manazava ny maso, Sal. 19:8. Mana-maso ny adala fa tsy mahita, Jer. 5:21 (Mar. 8:18). Ny maso no jiron’ny tena, Mat. 6:22 (Lio. 11:34; 3 Ne. 13:22; F&F 88:67). Sambatra ny masonareo satria mahita, Mat. 13:16. Hohazavaina ny mason’ny fahatakaranareo, Ef. 1:17–18. Lozan’izay manao ny tenany ho hendry, 2 Ne. 15:21 (Isa. 5:21). Nanomboka nifady hanina sy nivavaka izy ireo mba hahazoana manohitra ny mason’ny vahoaka, Môzià 27:22. Satana dia nanajamba ny masony, 3 Ne. 2:2. Tsy misy olona hanana fahefana hamoahana ny Bokin’i Môrmôna raha tsy amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra, Môrm. 8:15. Noho ny herin’ny Fanahy dia nosokafana ny masonay ary nohazavaina ny fahatakaranay, F&F 76:12. Ny fahazavana dia avy amin’ilay manazava ny masonareo, F&F 88:11. Raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny tenanareo manontolo, F&F 88:67.