Famaizana Jereo koa Fahoriana Fanitsiana na fifehezana atao amin’ny tsirairay na ny vondron’olona hanampiana azy hihatsara na ho tonga mahery kokoa. Aza manamavo ny tanam-pamaizan’ny Tsitoha, Joba 5:17 (Ohab. 3:11). Sambatra izay olona anarinao, Tompo ô, Sal. 94:12. Ny soratra rehetra dia mahasoa ho fananarana, ho fanitsiana izay diso, 2 Tim. 3:16. Izay tian’ny Tompo no faiziny, Heb. 12:5–11. Ny Tompo dia mahita fa mety ny hamaizana ny olony, Môzià 23:21–22. Raha tsy manafay ny olony ny Tompo dia tsy hahatsiaro Azy, Hel. 12:3. Niresaka tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo ary nandevilevy azy, Ete. 2:14. Nofaizina izy ireo mba hahazoany mibebaka, F&F 1:27. Izay tiako no koa faiziko hahazoana namela ny fahotany, F&F 95:1. Ireo rehetra izay tsy hiaritra famaizana dia tsy azo hamasinina, F&F 101:2–5. Tsy maintsy ilaina ny hamaizana ny vahoakako ambara-pianarany fankatoavana, F&F 105:6. Izay tsy hizaka famaizana dia tsy mendrika ny fanjakako, F&F 136:31.