Zava-poana Jereo koa Fiavonavonana; Rehak’Izao Tontolo Izao Lainga na fitaka; avonavona. Ny foana sy ny zava-poana dia mety midika koa ho babangoana sy tsy misy vidiny. Izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga dia hitoetra ao amin’ny fitoeran’ Andriamanitra masina, Sal. 24:3–4. Raha mivavaka hianareo dia aza mba manao teny maro foana, Mat. 6:7. Ilay trano lehibe sy malalaka dia ny hevi-dravina sy ny avonavona, 1 Ne. 12:18. Moa va ianareo mbola hikiry hametraka ny fonareo amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao, Almà 5:53. Aza mikatsaka ny zava-poanan’izao tontolo izao; fa indro, tsy afaka mitondra ireny miaraka aminao ianao, Almà 39:14. Ny fieboeboana sy tsy finoana dia efa nitondra ny Fiangonana ho eo ambany fanamelohana, F&F 84:54–55. Rehefa miezaka ny hampanarana ny hambom-pontsika poaka aty isika dia misintona ny lanitra, F&F 121:37.