Fahotana Jereo koa Fahalotoana; Faharatsiana; Fahavetavetana; Fikomiana; Manafintohina; Tsy an’ Andriamanitra; Tsy Fahamarinana Fandikana ankitsirano ny didin’ Andriamanitra. Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, Ohab. 28:13. Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy tahaka ny orampanala, Isa. 1:18. Ho faty ny mpanota fa ny marina kosa ho voavonjy, Ezek. 18. Ny Zanakondrin’ Andriamanitra dia manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, Jao. 1:29. Aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao, Asa 22:16. Fahafatesana no tambin’ny ota, Roma. 6:23. Izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany, Jak. 4:17. Hanao izay hahatoran-kovitra ahy amin’ny fisehoan’ny ota va Ianao, 2 Ne. 4:31. Lozan’ireo rehetra izay maty ao amin’ny otany, 2 Ne. 9:38. Tsy afaka ny hihevitra ny fahotana afa-tsy amin’ny rikoriko izy ireo, Almà 13:12. Aza mihevitra fa ianao dia haverina avy amin’ny fahotana ho amin’ny fahasambarana, Almà 41:9–10. Fa ny Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra, Almà 45:16 (F&F 1:31). Ny ankizy madinika dia tsy mahavita manota, Môrô. 8:8. Raha mibebaka ny olona dia hibaboka ny fahotany ary hahafoy izany, F&F 58:42–43. Fa izay tsy mamela ny fahadisoan’ny rahalahiny dia mitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa, F&F 64:9. Izay manota amin’ny hazavana lehibe kokoa dia handray fanamelohana lehibe kokoa, F&F 82:3. Fa amin’ny fanahy izay manota no hiverenan’ny fahotana taloha, F&F 82:7. Rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, dia indro, misintona ny lanitra, F&F 121:37.