Rahalahy Jereo koa Olona; Rahavavy; Vehivavy Amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any an-danitra antsika, ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia mpirahalahy sy mpianadahy ara-panahy. Ao amin’ny Fiangonana ny lehilahy mpikambana mbamin’ny naman’ny Fiangonana dia mazàna antsoina hoe rahalahy. Rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao, Lio. 22:32. Izay tsy tia ny rahalahiny dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana, 1 Jn. 3:10–17. Hevero ho toy ny tenanareo ny rahalahinareo, Jkb. 2:17. Aoka ny olona tsirairay hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany, F&F 38:24–25. Ampaherezo ny rahalahinareo amin’ny resakao rehetra, F&F 108:7.