Zanakondrin’ Andriamanitra Jereo koa Jesoa Kristy; Paska; Sorompanavotana Anaran’ny Mpamonjy izay manondro an’i Jesoa ho sorona fanatitra natolotra hisolo antsika. Nentina toy ny zanakondry hovonoina Izy, Isa. 53:7 (Môzià 14:7). Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, Jao. 1:29 (Almà 7:14). Ianareo dia navotana tamin’ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny Zanakondry tsy misy kilema, 1 Pet. 1:18–20. Mendrika ny Zanakondry izay novonoina, Apôk. 5:12. Mandresy an’i Satana noho ny ran’ny Zanakondry isika, Apôk. 12:11. Nofotsian’ny ran’ny Zanakondry ireo noho ny finoany Azy, 1 Ne. 12:11. Ny Zanakondrin’ Andriamanitra no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao, 1 Ne. 13:40 (1 Ne. 11:21). Mahereza tokoa miantso ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, fa angamba ianareo mba mety ho hita tsisy pentina, hodiovin’ny Zanakondry, Môrm. 9:6 (Apôk. 7:14; Almà 34:36). Ny Zanak’Olona no Zanakondry izay voavono hatry ny fanorenana izao tontolo izao, Mos. 7:47.