Ny hevitry ny hoe Apôstôly amin’ny teny Grika dia: “ilay nirahina.” Izany no anarana nomen’i Jesoa ny Roambinifololahy izay nofidiny sy natokany ho mpianany sy ho mpanampy Azy akaiky indrindra nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (Lio. 6:13; Jao. 15:16). Nirahiny izy ireo hisolo tena Azy ary hampianatra ho Azy aorian’ny Fiakarany any an-danitra. Na fahiny, na ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo, ao amin’ny Fiangonana naverina indray ankehitriny, ny Apôstôly dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao mba hanambara ny maha-Andriamanitra Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty (Asa 1:22; F&F 107:23).