Fikomiana Jereo koa Apôstazia; Devoly; Fahotana; Mimonomonona Fihantsiana na fanoherana ny Tompo, ka isan’izany ny fandavana hanaraka ireo mpitondra nofinidiny sy ny finiavana tsy hankatò ny didiny. Fa aza miodina amin’ny Tompo hianareo, Nom. 14:9. Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ohab. 17:11. Lozan’ny zaza maditra, Isa. 30:1. Ny Tompo tsy manavotra ireo izay mikomy Aminy ary maty ao amin’ny fahotany, Môzià 15:26. Nikomy am-pahibemaso tamin’ Andriamanitra ny Amlisita, Almà 3:18–19. Hotrobaran’alahelo mafy ny mpikomy, F&F 1:3. Mirehitra amin’ny mpikomy ny fahatezeran’ny Tompo, F&F 56:1 (F&F 63:1–6). Nikomy tamin’ Andriamanitra i Satana, Mos. 4:3.