Zioga Jereo koa Mpianatra Fitaovana apetraka eo amin’ny tendan’ny biby na ny olona hamehezana azy miaraka. Ny ziogan’i Kristy dia tandindon’ny maha-mpianatra, ny ziogan’ny fanandevozana kosa dia tandindon’ny fampahoriana Mora ny ziogako, ary maivana ny entako, Mat. 11:29–30. Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino, 2 Kor. 6:14. Aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony, Gal. 5:1. Tsy maniry ny hamarina na iza na iza ao amin’ny jiogan’ny fanandevozana izahay, Almà 44:2. Ny fijalian’ny Olomasina dia zioga vy, famatorana mafy, ary rojon’ny helo, F&F 123:1–3, 7–8.