Fahariana Ara-panahy Jereo koa Fahariana; Olona Nahary ny zava-drehetra ara-panahy ny Tompo talohan’ny nahariany azy ara-batana (Mos. 3:5). Andriamanitra dia nanao ny hazo famboly rehetra talohan’ny nisiany tety an-tany, Gen. 2:4–6 (Abr. 5:5). Tamin’ny herin’ny Fanahiko no nahariako ny zava-drehetra—voalohany ara-panahy, faharoa ara-nofo, F&F 29:31–32. Izay ara-nofo dia sarin’izay ara-panahy, F&F 77:2. Izaho no nanao izao tontolo izao sy ny olona talohan’ny nahatongavany ho nofo, Mos. 6:51.