Fotopampianarana sy asan’ny fiangonana izay maneho fa eken’ Andriamanitra izany ary lalana efa napetrak’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hahazoan’izy ireo ny fahafenoan’ny fitahiany. Ny sasany amin’ireo famantarana ny Fiangonana marina dia toy izao manaraka izao:
Fahatakarana marina Ny Andriamanitra
Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra, Gen. 1:26–27 .
Niteny nifanatrika tamin’i Mosesy ny Tompo, Eks. 33:11 .
Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka, JS—T 1:15–20 .
Isika dia mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, Fp. 1:1 .
Fitsipika sy ôrdônansy voalohany
Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona, Jao. 3:3–5 .
Mibebaha ary aoka hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra, Asa 2:38 .
Dia nametrahany tanana izy ireo, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo, Asa 8:14–17 .
Tonga zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, Gal. 3:26–27 .
Ny fisoronana marina dia ilaina mba hanaovana batisa sy hanomezana ny Fanomezana ny Fanahy Masina, JS—T 1:70–72 .
Voalaza ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara, Fp. 1:4 .
Raha tsy misy fahitana dia maty ny vahoaka, Ohab. 29:18 .
Manambara ny tsiambaratelony amin’ny mpaminaniny ny Tompo, Amo. 3:7 .
Ny Fiangonana dia mitsangana eo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, Ef. 2:19–20 .
Zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ny Apôstôly sy ny Mpaminany, Ef. 4:11–16 .
Ny mpaminany no tokony hahazo didy ho an’ny Fiangonana, F&F 21:4–5 .
Tsy misy olona mahazo mitory ny filazantsara na manorina ny Fiangonana raha tsy natokan’ny olona izay manana fahefana izy, F&F 42:11 .
Tokony hitory ny filazantsara ny loholona ka hiasa amin’ny fahefana, F&F 68:8 .
Fanampin-tsoratra masina mbola hivoaka
Fandaminana ny Fiangonana
Ny Fiangonana dia mitsangana eo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, Ef. 2:19–20 .
Zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ny Apôstôly sy ny mpaminany, Ef. 4:11–16 .
Kristy no lohan’ny Fiangonana, Ef. 5:23 .
Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra, Mat. 28:19–20 .
Ny Fitopololahy dia nantsoina mba hitory ny filazantsara, Lio. 10:1 .
Tokony handeha tsiroaroa ny loholona, hitory ny filazantsarako, F&F 42:6 .
Tsy maintsy toriana amin’ny olona rehetra ny filazantsara, F&F 58:64 .
Fanomezam-pahasoavana ara-panahy
Nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa izy ireo, Asa 2:4 .
Ny loholona dia tokony hanasitrana ny marary, Jak. 5:14 .
Hanao fanekempihavanana Aho ka hametraka ny fitoeramasiko eo aminy mandrakizay, Ezek. 37:26–27 .
Ho avy tampoka ho eo an-tempoliny ny Tompo, Mal. 3:1 .
Nofaizina ny Olomasina noho izy ireo tsy nahavita nanorina ny tranon’ny Tompo, F&F 95 (F&F 88:119 ).
Nanorina tempoly mandrakariva ny vahoakan’ny Tompo ho fanatanterahana ireo ôrdônansy masina, F&F 124:37–44 .
Ny fanorenana tempoly sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansy dia anisan’ireo asa lehiben’ny Andro Farany, F&F 138:53–54 .