Lalana Jereo koa Jesoa Kristy; Mandeha, Mandeha Miaraka amin’ Andriamanitra Ny soritra na dia arahin’ny olona. Nilaza i Jesoa fa Izy no lalana (Jao. 14:4–6). Tandremo ny didin’ny Tompo mba handehananao amin’ny lalany, Deot. 8:6. Zaro amin’ny lalana tokony halehany ny zaza, Ohab. 22:6 (2 Ne. 4:5). Nilaza Andriamanitra fa ny lalany dia avo noho ny lalantsika, Isa. 55:8–9. Ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, Mat. 7:13–14 (3 Ne. 14:13–14; 27:33; F&F 132:22, 25). Andriamanitra dia hanisy lalana mba hahafahanareo amin’ny fakam-panahy, 1 Kor. 10:13. Fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy, 1 Ne. 3:7 (1 Ne. 9:6; 17:3, 13). Ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny vavahady, 2 Ne. 9:41. Afaka manao araka ny sitraponareo ianareo—na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana maharitra mandrakizay, 2 Ne. 10:23. Izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa, 2 Ne. 31:21 (Môzià 3:17; Almà 38:9; Hel. 5:9). Tao amin’ny fanomezana ny zanany no efa nomanin’ Andriamanitra ny lalana tena tsara indrindra, Ete. 12:11 (1 Kor. 12:31). Samy mandeha amin’ny lalany avy ny olona tsirairay, F&F 1:16. Tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako, F&F 104:16.