Manarana ny Filan’ny nofo Jereo koa Fahadiovam-pitondrantena; Fanitsakitsaham-bady; Fijangajangana; Fitondrantena maloto; Mitsiriritra Fankamamiana na faniriana ny fahafinaretan’ny nofo izay tsy mendrika, indrindra ny fitondrantena maloto. Ny vadin’ny tompony dia nanopy ny masony hijery an’i Josefa, Gen. 39:7. Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga, Mat. 5:28 (3 Ne. 12:28). Fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny, 1 Pet. 2:11. Ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso dia tsy avy amin’ny Ray, 1 Jn. 2:16. Aza mandeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao, Almà 39:9. Noho ny fandikana ireo lalàna masina, dia nanjary nanarana ny nofo ny olona, F&F 20:20. Raha misy manitsakitsa-bady ao am-pony, dia tsy hanana ny Fanahy izy, F&F 63:16. Koa atsaharo ny faniriana ara-nofo rehetra, F&F 88:121. Ny olona dia nanomboka nanarana ny vatana, ny filandratsy ary ho devoly toetra, Mos. 5:13 (Môzià 16:3; Mos. 6:49).