Virijiny Jereo koa Maria, Renin’i Jesoa Lehilahy na vehivavy amin’ny taonan’ny hanambady, izay mbola tsy nanao firaisana ara-nofo na oviana na oviana. Ao amin’ny soratra masina, ny virijiny dia mety maneho olona izay madio fitondrantena (Apôk. 14:4). Hanan’anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy, Isa. 7:14 (Mat. 1:23; 2 Ne. 17:14). Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virijiny folo, Mat. 25:1–13. Tao an-tanànan’i Nazareta aho dia nahatazana virijiny iray, izay renin’ny Zanak’ Andriamanitra, 1 Ne. 11:13–18. I Maria, izay virijiny, dia fanaka iray sarobidy sy nofinidy, Almà 7:10.