Fitsarana Jereo koa Fanamelohana; Fitsarana Farany, ny; Jesoa Kristy—Mpitsara Manombana ny toetra mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara; manapa-kevitra; mamantatra ny tsara amin’ny ratsy. Nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, Eks. 18:13. Amin’ny fahamarinana no hitsaranao ny namanao, Lev. 19:15. Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo, Mat. 7:1 (DJS, Mat. 7:1–2; Lio. 6:37; 3 Ne. 14:1). Izay rehetra nanota nanana ny lalàna dia hotsaraina araka ny lalàna, Roma. 2:12. Ny Olomasina no hitsara izao tontolo izao, 1 Kor. 6:2–3. Notsarain’izao tontolo izao ny Zanak’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay, 1 Ne. 11:32. Ny Apôstôly Roa ambin’ny folon’ny Zanakondry no hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely, 1 Ne. 12:9 (F&F 29:12). Ny fahafatesana, ny helo, ny devoly ary izay rehetra efa voatazon’ireo dia tsy maintsy hotsaraina, 2 Ne. 28:23 (1 Ne. 15:33). Raha mitsara ny olona izay maneho fitalahoana aminareo amin’ny fanananareo ianareo, tsy mainka va ara-drariny ny ho fanamelohana anareo noho ianareo mihirim-belona amin’ny fanananareo, Môzià 4:22. Hotsaraina araka ny asany ny olona, Almà 41:3. Mitsarà araka ny rariny, dia hanana ny hitsiny haverina aminao indray ianao, Almà 41:14. Avy amin’ireo boky izay hosoratana no hitsarana izao tontolo izao, 3 Ne. 27:23–26 (Apôk. 20:12). Ny sisa tavela amin’ity vahoaka ity dia hotsarain’ny roambinifololahy izay nofidin’i Jesoa teo amin’ity tany ity, Môrm. 3:18–20. Nanazava ny fomba anavahana ny tsara amin’ny ratsy i Môrmôna, Môrô. 7:14–18. Apetraho amin’ilay fanahy izay mitarika hitsara araka ny rariny ny fitokianao, F&F 11:12. Ianareo dia tokony hiteny ao am-ponareo hoe: aoka Andriamanitra hitsara ahy sy ianao, F&F 64:11. Hitsara an’ireo ny Fiangonan’ny Tompo, F&F 64:37–38. Namangy an’ireo fanahy ao an-tranomaizina ny Zanaka mba ho azo tsaraina araka ny olona ao amin’ny nofo izy ireo, F&F 76:73 (1 Pet. 4:6). Ny eveka dia ho mpitsara tsotra, F&F 107:72–74. Ny Tompo dia hitsara ny olona rehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony, F&F 137:9.