Nofo Jereo koa Ara-nofo; Mety maty; Olona araka ny Nofo; Vatana Manana heviny maro ny hoe nofo: (1) ny tamban-tsela malemy izay mandrafitra ny vatan’ny olombelona, ny biby, ny vorona na ny trondro, (2) fiainana an-tany; na (3) ny toe-batana na ny toetra maha-nofo ananan’ny olona. Tamban-tselan’ny vatana Ho fihinanareo ny biby, Gen. 9:3. Tsy tokony hovonoina tsy amin’ny antony ny biby, DJS, Gen. 9:10–11 (F&F 49:21). Natao ho fihinana sy ho fitafian’ny olona ny biby sy ny voromanidina, F&F 49:18–19 (F&F 59:16–20). Tokony hahalala onona amin’ny fihinanana hena isika, F&F 89:12–15. Fiainana an-tany Jesoa no hany Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo, Jao. 1:14 (Môzià 15:1–3). Adama no tonga nofo voalohany, Mos. 3:7. Toetra maha-nofo ny olona Voaozona ny olona izay manao ny nofo ho sandriny, Jer. 17:5. Vonona ihany ny fanahy fa ny nofo no malemy, Mar. 14:38. Ny filandratsin’ny nofo dia tsy avy amin’ny Ray, 1 Jn. 2:16. Ory i Nefia noho ny nofony sy ny helony, 2 Ne. 4:17–18, 34. Aza mihavana amin’ny devoly sy ny nofo, 2 Ne. 10:24.