Môzià, Rain’i Benjamina Jereo koa Benjamina, Rain’i Môzià; Zarahemlà Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, mpaminany Nefita napetraka ho mpanjaka teo amin’ny vahoakan’i Zarahemlà. Nampilazaina i Môzià fa tokony handositra hiala ny tanin’i Nefia, Ômn. 1:12. Nahita ny vahoakan’i Zarahemlà izy, Ômn. 1:14–15. Nampianatra ny vahoakan’i Zarahemlà ny fiteniny izy, Ômn. 1:18. Notendrena ho mpanjakan’ireo vahoaka mitambatra izy, Ômn. 1:19. I Benjamina zanany lahy no nanjaka teo amin’ny toerany taorian’ny nahafatesany, Ômn. 1:23.