Komiberaky ny Mpisorona Olona mitory teny sy mametraka ny tenany ho fahazavana ho an’izao tontolo izao mba hahazoany ny harena sy deran’izao tontolo izao; tsy mikatsaka ny foto-kevitr’i Ziona izy ireo (2 Ne. 26:29). Andraso ny ondrin’ Andriamanitra, mitandrema azy tsy an-tery, 1 Pet. 5:2. Ireo fiangonana izay miorina mba hahazoana harena dia tsy maintsy haetry ambany, 1 Ne. 22:23 (Môrm. 8:32–41). Noho ny komiberaky ny mpisorona sy ny heloka, dia homboana i Jesoa, 2 Ne. 10:5. Raha ny komiberaky ny mpisorona no ampiharina eo anivon’ity vahoaka ity, dia hiafara amin’ny faharavany tanteraka izany, Almà 1:12. Ho feno amin’ny karazana komiberaky ny mpisorona rehetra ny Jentilisa, 3 Ne. 16:10.