Ismaela, Rafozandahin’i Nefia Jereo koa Lehia, Rain’i Nefia Lehilahy iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay mitambatra tamin’ny ankohonan’i Lehia izy sy ny ankohonany tamin’ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina. Niverina tao Jerosalema i Nefia sy ny rahalahiny ka nandresy lahatra an’i Ismaela sy ny ankohonany hiaraka amin’i Lehia sy ny ankohonany ho any amin’ny tany nampanantenaina, 1 Ne. 7:2–5. Nifampaka-bady ireo ankohonana roa, 1 Ne. 16:7. Nodimandry tany an-tany foana i Ismaela, 1 Ne. 16:34.