Olomasina Jereo koa Fiangonan’i Jesoa Kristy; Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Ny; Kristiana Mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Angony ety amiko ny oloko masina, Sal. 50:5. Nanao ratsy maro tamin’ny olomasina tao Jerosalema i Saoly, Asa 9:1–21. I Petera dia nidina ho any amin’ny Olomasina nonina tany Lyda koa, Asa 9:32. Ho an’izay rehetra any Roma, sady voantso no masina, ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, Roma. 1:7. Mpiray fanjakana amin’ny Olomasina ianareo, Ef. 2:19–21. Nahatazana ny fiangonan’ny Zanakondrin’ Andriamanitra aho, dia ny Olomasin’ Andriamanitra, 1 Ne. 14:12. Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra raha tsy tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy, Môzià 3:19. Izaho Tompo no efa nitahy ny tany mba hampiasain’ny Olomasiko, F&F 61:17. Miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra i Satana, F&F 76:28–29. Omano ny Olomasina ho amin’ny fitsarana izay ho avy, F&F 88:84–85. Tokony hizara amin’ny fananany ho an’ny mahantra sy ny mijaly eo anivony ny Olomasina, F&F 105:3. Efa nomeko ireo anjara fanompoana eo ambony ireo ho an’ny asa fanompoana sy ny fanatanterahana ny olomasiko, F&F 124:143 (Ef. 4:12).