Fiadidiana Voalohany Jereo koa Fanalahidin’ny Fisoronana; Fanambarana; Filoha Ny Filohan’ny Fiangonana mbamin’ireo mpanolotsainy. Izy ireo dia kôlejin’ireo mpisorona avo telo ary miahy ny Fiangonana manontolo. Ny Fiadidiana Voalohany dia mihazona ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana. Ireo fanalahidin’ny fanjakana dia an’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo mandrakariva, F&F 81:2. Ny fiadidian’ny Fisoronana Avo dia manana zo hitarika eo amin’ny anjara fanompoana rehetra, F&F 107:9, 22. Na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray ny Fiadidiana Voalohany, F&F 112:20, 30. Ny Fiadidiana Voalohany no tokony hahazo ny didin’ Andriamanitra [fanambarana] ho an’ny Fiangonana manontolo, F&F 124:126.