Fifosana Jereo koa Fitenenan-dratsy; Tsaho Manely toe-javatra na vaovao manokana momba ny olona iray hafa, tsy omban’ny faneken’ilay olona. Hampamoahina amin’ny teny foana rehetra izay holazainy ny olona, Mat. 12:36. Anarina ny olomasina tsy ho manta vava, tsy hitsaraingona, tsy hiteny izay tsy tokony hoteneniny, 1 Tim. 5:11–14. Tsy miteny ratsy ny namanao ianao, F&F 42:27. Ampaherezo amin’ny resakao rehetra ny rahalahinao, F&F 108:7.