Fasana Jereo koa Fitsanganana amin’ny maty Toeram-pandevenana ny vatana efa maty. Hatsangana amin’ny maty avy ao am-pasana ny olon-drehetra noho ny Sorompanavotana. Nisokatra ireo fasana taorian’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary vatana maro no nitsangana tamin’ny maty, Mat. 27:52–53 (3 Ne. 23:9–13). Ry fasana ô, aiza ny fandresenao, 1 Kor. 15:55. Tsy maintsy mamoaka ny maty ao aminy ny fasana, 2 Ne. 9:11–13. Hivoaka ireo izay efa natory tao am-pasana, F&F 88:97–98. Ny batistera dia tandindon’ny fasana, F&F 128:12–13.