Kerobima Sary maneho an’ireo zava-mananaina any an-danitra izay tsy fantatra ny tena endriny marina. Natao hiambina ny toerana masina ny kerobima. Nampitoerin’ny Tompo ny kerobima hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina, Gen. 3:24 (Almà 12:21–29; 42:2–3; Mos. 4:31). Sarin’ny kerobima no napetraka teo amin’ny fitoeran’ny famindram-po, Eks. 25:18, 22 (1 Mpan. 6:23–28; Heb. 9:5). Voatonona ao amin’ny fahitan’i Ezekiela ny kerobima, Ezek. 10; 11:22.