Fiandrandrana amim-pahatokiana sy faniriana ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana. Mazàna ny soratra masina dia miresaka ny amin’ny fanantenana ho toy ny fiheverana mialoha ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Hotahina ny olona izay ny Tompo no fanantenany, Jer. 17:7 .
Ny Tompo no ho fanantenan’ny olony, Joe. 3:16 .
Manana fanantenana isika amin’ny alalan’ny faharetana sy ny soratra masina, Roma. 15:4 .
Andriamanitra dia efa niteraka antsika indray ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, 1 Pet. 1:3 .
Ny olona rehetra izay manana izany fanantenana izany dia manadio ny tenany, 1 Jn. 3:2–3 .
Tsy maintsy mibosesika handroso ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary, 2 Ne. 31:20 .
Ezaho izay anananareo finoana, fanantenana ary fiantrana, Almà 7:24 (1 Kor. 13:13 ; Môrô. 10:20 ).
Iriko ny hihainoanareo ny teniko amin’ny fananana fanantenana fa ho azonareo ny fiainana mandrakizay, Almà 13:27–29 .
Raha manana finoana ianareo dia manantena ny zavatra izay tsy hita nefa marina, Almà 32:21 (Heb. 11:1 ).
Ny fanantenana dia avy amin’ny finoana, mipetraka ho vatofantsika ho an’ny fanahy, Ete. 12:4 (Heb. 6:17–19 ).
Tsy maintsy manantena ny olona fa raha tsy izany dia tsy afaka mandray lova izy, Ete. 12:32 .
Niresaka momba ny finoana, ny fanantenana, ary ny fiantrana i Môrmôna, Môrô. 7:1 .
Ianareo dia hanantena amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, Môrô. 7:40–43 .
Mameno anareo amin’ny fanantenana ny Fanahy Masina, Môrô. 8:26 (Roma. 15:13 ).