Abinadia Jereo koa Maritiora Mpaminany Nefita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Naminany fa hofaizin’ Andriamanitra ny vahoakan’i Noà Mpanjaka mamohehatra raha tsy mibebaka, Môzià 11:20–25. Naiditra am-ponja noho ny naminaniany ny famongorana an’i Noà Mpanjaka sy ny vahoakany, Môzià 12:1–17. Nampianatra an’ireo mpisorona mamohehatr’i Noà Mpanjaka ny amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny amin’i Kristy, Môzià 12–16. Almà rainy dia nino sady nanoratra ny teniny, Môzià 17:2–4. Nodoran’i Noà Mpanjaka ho faty, Môzià 17:20.