Ady antsanga, fifamaliana, fifanjihirana. Tsy mahafinaritra ny Tompo ny fifandirana, indrindra fa eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, na eo amin’ny samy mpianakavy.
Aoka re mba tsy hisy fifamaliana eo amiko sy eo aminao, Gen. 13:8 .
Mahatonga fifandirana ny avonavona, Ohab. 13:10 .
Raha misy manana ady amin’ny sasany dia mamelà heloka tahaka ny namelan’i Kristy heloka, Kol. 3:13 .
Halaviro ny fanontaniana adala sy ny fifandirana, Tito. 3:9 .
Mandidy ny olona tsy hifanditra ny Tompo, 2 Ne. 26:32 .
Tsy hamela ny zanakareo hiady sy hifanditra ianareo, Môzià 4:14 .
Nandidy i Almà mba tsy hisy fifandirana eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana, Môzià 18:21 .
Manely tsaho sy fifandirana i Satana, Hel. 16:22 .
Ny devoly no rain’ny lainga izay mamoky ny olona mba hifanditra, 3 Ne. 11:29 (Môzià 23:15 ).
Aoreno ny filazantsarako mba tsy hisian’ny fifandirana be, F&F 10:62–64 .
Atsaharo ny fifandiranareo, F&F 136:23 .