Fahazoan-dalana nomena ny olona eto an-tany, izay nantsoina na natokana mba hiasa ho an’ Andriamanitra sy amin’ny anaran’ Andriamanitra Ray na i Jesoa Kristy, amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra.
Nomeny ny mpianatra roa ambin’ny folo ny fahefana, Mat. 10:1 .
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo, Jao. 15:16 .
Nitory tamin’ny fahefana lehibe i Nefia sy i Lehia, Hel. 5:18 .
Nefia, zanakalahin’i Helamàna, dia lehilahin’ Andriamanitra sady nanana hery sy fahefana lehibe avy tamin’ Andriamanitra, Hel. 11:18 (3 Ne. 7:17 ).
Nomen’i Jesoa hery sy fahefana ireo Nefita roa ambin’ny fololahy, 3 Ne. 12:1–2 .
Nantsoina sy natokan’ Andriamanitra i Joseph Smith, F&F 20:2 .
Tsy misy olona hitory ny filazantsarako, na hanorina ny Fiangonako, raha tsy voatokana izy ary fantatry ny Fiangonana fa manana fahefana, F&F 42:11 .
Ireo loholona dia tokony hitory ny filazantsara sady hampiasa fahefana, F&F 68:8 .
Ny fisoronana Melkizedeka dia manana fahefana hitantana ireo zavatra ara-panahy, F&F 107:8, 18–19 .
Izay tontosa amin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamanitra dia manjary lalàna, F&F 128:9 .