Fanambaran’i Jaona
Boky farany ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mirakitra ny fanambarana nomena an’i Jaona Apôstôly. Navela ho hitany ny tantaran’izao tontolo izao, indrindra fa ny andro farany (Apôk. 1:1–2; 1 Ne. 14:18–27; F&F 77). Fantatra koa amin’ny anarana Apôkalipsy ny fanambaran’i Jaona.
Nandray io fanambarana io tamin’ny andron’ny Tompo i Jaona, tao amin’ny nosy Patmo (Apôk. 1:9–10), izay manamorona ny morontsirak’i Asia, tsy lavitra an’i Efesosy. Tsy fantatra ny tena datin’ny fanambarana.
Hita ao amin’ny 1 Nefia 14:18–27 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 ireo fanalahidy ahazoana mahatakatra ny boky (Etera 4:15–16).
Toko 1–3: fanolorana ny boky sy ny taratasy ho an’ireo fiangonana fito tany Asia. Nanoratra ny taratasy i Jaona mba hanampiana ny olomasina hamaha olana sasantsasany. Toko 4–5: mirakitra ny fahitana azon’i Jaona izay mampiseho ny fahamboniana sy ny fahamarinan’ny herin’ Andriamanitra sy i Kristy. Toko 6–9, 11: fitantaran’i Jaona ny fahitany boky nofehezina tamin’ny kase fito ka ny kase tsirairay dia maneho arivo taona amin’ny tantaran’ny tany. Miresaka indrindra ny zava-mitranga voarakitra ao amin’ny kase fahafito ireo toko ireo (jereo Apôk. 8–9; 11:1–15). Toko 10: miresaka ny boky izay nohanin’i Jaona. Maneho ny asa hanirahana izay mbola hotanterahin’i Jaona izany boky izany. Toko 12: mirakitra ny fahitana ny faharatsiana izay nanomboka tany an-danitra raha nikomy sy noroahina i Satana. Mbola mitohy ety an-tany ny ady izay nanomboka tany. Toko 13, 17–19: firesahan’i Jaona ny amin’ny fanjakana ratsy eto an-tany izay fehezin’i Satana, ary koa firaketana ny hiafaran’izy ireo ka isan’izany ny famongorana ny ratsy. Toko 14–16: miresaka ny fahamarinan’ny olomasina eo anivon’ny faharatsiana mialoha indrindra ny Fiavian’i Kristy Fanindroany. Toko 20–22: milaza ny amin’ny Arivotaona, ny tanàna mahafinaritra dia i Jerosalema Vaovao, ary ny zava-nitranga farany eo amin’ny tantaran’ny tany.