An-tsapaka Fomba iray hifantenana na hanafoanana safidy iray ao anatin’ny maro, izay tanterahana matetika amin’ny fifidianana ravin-taratasy na tapa-kazo kely iray ao anatin’ny maro. Izany no atao hoe manao an-tsapaka. Nanaovany loka ny fizaràna ny fitafiany, Mat. 27:35 (Sal. 22:18; Mar. 15:24; Lio. 23:34; Jao. 19:24). Nanao filokana ho azy izy ka latsaka tamin’i Matia ny filokana, Asa 1:23–26. Nanao an-tsapaka izahay—iza aminy no tokony hiditra ao an-tranon’i Labàna, 1 Ne. 3:11.