Mangalatra Maka zavatry ny hafa tsy amim-pahamarinana na tsy ara-dalàna. Nandidy ny zanany mandrakariva ny Tompo mba tsy hangalatra (Eks. 20:15; Mat. 19:18; 2 Ne. 26:32; Môzià 13:22; F&F 59:6). Miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy manamitrano na mangalatra, Mat. 6:19–21. Ny faharesen’ny Nefita dia tonga noho ny avonavony, ny hareny, ny fandrobana, ny fangalarana, Hel. 4:12. Izay mangalatra ka tsy mibebaka dia horoahina hiala, F&F 42:20. Ireo izay mangalatra dia hatolotra ny lalàn’ny tany, F&F 42:84–85.