Hazo iray tao amin’ny Sahan’i Edena sy ny paradisan’ Andriamanitra (Gen. 2:9 ; Apôk. 2:7 ). Ao amin’ny nofin’i Lehia, ny hazon’aina dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra, ary lazaina ho ny lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra (1 Ne. 8 ; 11:21–22, 25 ; 15:36 ).
Nahita ny hazon’aina i Lehia, 1 Ne. 8:10–35 .
Nahita ilay hazo izay efa hitan-drainy i Nefia, 1 Ne. 11:8–9 .
Ilay anja-by dia nitondra nankamin’ny hazon’aina, 1 Ne. 11:25 (1 Ne. 15:22–24 ).
Hantsana mahatsiravina no nanasaraka ny ratsy fanahy tamin’ny hazon’aina, 1 Ne. 15:28, 36 .
Tsy maintsy ilaina ny hisian’ny voankazo voarara, dia ny mifanohitra amin’ny hazon’aina, 2 Ne. 2:15 .
Mankanesa eo amin’ny Tompo, ary mihinàna amin’ny voan’ny hazon’aina, Almà 5:34, 62 .
Raha toa ka azon’ireo ray aman-drenintsika voalohany natao ny nihinana tamin’ny hazon’aina, dia ho efa fadiranovana mandrakizay izy ireo, Almà 12:26 .
Raha tsy te hamahana ny teny ianareo dia tsy ho afaka na oviana na oviana mioty ny voa avy amin’ilay hazon’aina, Almà 32:40 .
Ny Tompo dia namboly ny hazon’aina koa teo afovoan’ny saha, Mos. 3:9 (Abr. 5:9 ).
Noroahin’ Andriamanitra avy tao Edena i Adama ndrao haninjitra ny tanany izy ary haka amin’ny hazon’aina ary ho velona mandrakizay, Mos. 4:28–31 .