Fantatra koa amin’ny hoe Fiaran’i Jehovah sy Fiaran’ny Vavolombelona, ny Fiaran’ny Fanekena dia vata lavalava natao tamin’ny hazo ary nohosorana volamena. Izany no tranainy sy masina indrindra amin’ny fanehoan-javatra ara-pivavahana teo amin’ny Isiraelita. Ny Fitoeran’ny Famindram-po izay mandrakotra izany dia noheverina ho toy ny fitoeran’i Jehovah ety an-tany (Eks. 25:22). Nony efa tafatsangana ny tempoly dia napetraka tao amin’ny fitoerana masina indrindra izay Efitra Masina Indrindra ao amin’ny lay ny fiara (1 Mpan. 8:1–8).