Natanaela
Apostolin’i Kristy sady sakaizan’i Filipo ao amin’ny Testamenta Vaovao (Jao. 1:45–51). Avy any Kana Galilia izy (Jao. 21:2). Nilaza i Kristy fa Isiraelita tsy misy fitaka i Natanaela (Jao. 1:47). Heverina ho olona iray ihany izy sy i Bartolomeo (Mat. 10:3; Mar. 3:18; Lio. 6:14; Jao. 1:43–45).