Salema Jereo koa Jerosalema; Melkizedeka Tanàna ao amin’ny Testamenta Taloha izay nanjakan’i Melkizedeka. Mety ho eo amin’ny toerana misy an’i Jerosalema ankehitriny no toerana nisy azy. Ny anarana Salema dia mitovy amin’ny teny hebreo izay midika hoe “fiadanana.” I Melkizedeka, mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay, Gen. 14:18. I Melkizedeka, mpanjakan’i Salema dia mpisoron’ Andriamanitra Avo indrindra, Heb. 7:1–2. I Melkizedeka dia mpanjaka teo amin’ny tanin’i Salema, Almà 13:17–18.